plt_tn/heb/06/04.md

1.6 KiB

ireo izay efa nohazavaina indray mandeha

Ny fahatakarana dia resahina toy ny hoe hazavana. DH: "ireo izay efa nahatakatra indray mandeha ny hafatra momban'i Kristy"

izay nanandrana ny fanomezana avy any an-danitra

Ny fiainana ny famonjena dia resahana toy ny hoe manandrana sakafo. DH: "Izay niaina ny hery fanavotan'Andriamanitra"

izay nandray ny Fanahy Masina

Ny Fanahy Masina, izay tonga tany amin'ireo mpino, dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka zarain'ny olona.

nanandrana ny teny tsaran'Andriamanitra

Ny fianarana ny tenin'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe manandrana sakafo. DH: "Izay nianatra ny teny tsaran'Andriamanitra"

ny herin'ny vanim-potoana ho avy

Izany dia midika hoe ny herin'Andriamanitra rehefa feno tanteraka amin'izao tontolo rehetra izao ny fanjakany. Amin'izany heviny izany, ny hoe "ireo hery" dia maneho an'Andriamanitra mihintsy, izay mihazona ny hery rehetra. DH: "nianatra ny fomba hiasan'Andriamanitra amin-kery amin'ny ho avy"

saingy avy eo dia lavo

Ny fanariana ny fahatokisana rehetra amin'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe fianjerana ara-batana. DH: "izay avy eo dia tsy nino an'Andriamanitra intsony"

tsy hay atao ny mamerina azy ireo amin'ny fibebahana indray

"Tsy vita ny mitondra azy ireo hibebaka indray"

nomboin'izy ireo ho an'ny tenan'izy ireo indray ny Zanak'Andriamanitra

Rehefa miala amin'Andriamanitra ny olona, dia toy hoe manombo an'i Jesosy indray izy ireo. DH: "toy ny hoe manombo ho an'ny tenan'izy ireo an'ilay tena Zanak'Andriamanitra indray izy ireo"

Zanak'Andriamanitra

Ity dia fiantsoana manan-danja an'i Jesosy izay mamaritra ny fifandraisany amin'Andriamanitra.