plt_tn/heb/05/12.md

1.0 KiB

fitsipika fototra

Eto ny ''fitsipika'' dia midika hoe torolalana na fenitra ho an'ny fanapahan-kevitra. DH: "fahamarinana fototra"

Ronono no ilainareo

Ny fampianarana ny momban'Andriamanitra izay mora takarina dia resahina toy ny hoe ronono, izay sakafo tokana azon'ny zazakely hoanina. DH: "Ianareo dia lasa toy ny zazakely ary tsy afaka misotro afa-tsy ronono ihany"

fa tsy ventin-tsakafo

Ny fampianarana ny momban'Andriamanitra izay sarotra takarina dia resahina toy ny hoe ventin-tsakafo, mety ho an'ny olon-dehibe. DH: "Fa kosa ny ventin-tsakafo, izay afaka hoanin'ny olon-dehibe"

satria izy dia mbola zazakely

Ity dia miresaka ny mpino izay afaka mahatakatra ireo fampianarana tsotran'ny filazantsara fotsiny toy ny hoe zazakely ara-bakiteny izy.

Ireo dia izay voahofana tamin'ny fanavahana ny tsara amin'ny ratsy ny fahatakarany nohon'ny fahamatoran'izy ireo

Ny olona nofanina mba hatakatra zavatra dia resahina toy ny hoe nofanina ny fahaizana manakatra. DH: "izay matotra ary afaka manavaka ny tsara amin'ny ratsy"