plt_tn/heb/04/12.md

2.4 KiB

ny tenin'Andriamanitra dia velona

Eto ny teny hoe "tenin'Andriamanitra" dia maneho ny zavatra rehetra izay nifandraisan' Andriamanitra tamin'ny olombelona na tamin'ny firesahana izany na tamin'ny alalan'ireo hafatra nosoratana. DH: ''ireo tenin'Andriamanitra dia velona"

velona sy mandaitra

Ity dia miresaka momban'ny tenin'Andriamanitra toy ny hoe velona izany. Izany dia midika fa rehefa miteny Andriamanitra, dia mahery sy mahomby izany.

maranitra noho ny sabatra roa lela

Ny sabatra roa lela dia afaka manapaka ny nofon'ny olona mora foana. Ny tenin' Andriamanitra dia tena mahomby amin'ny fampisehoana izay ao anatin'ny fon'ny olona sy ny ao an-tsainy.

Izany dia manindrona hatramin'ny fanasarahana ny aina amin'ny fanahy, ary ny tonona amin'ny tsoka mihintsy aza

Ity dia manohy miresaka momban'ny tenin'Andriamanitra toy ny hoe sabatra izany. Eto ny sabatra dia tena maranitra izay afaka manapaka sy manasaraka ny ratsan'ny olombelona izay tena sarotra na tena tsy afaka sarahana aza. Izany dia midika fa tsy misy azo hafenina amin'Andriamanitra ny ao anatintsika.

ny aina amin'ny fanahy

Ireo dia zavatra roa samy hafa fa mifandray akaiky amin'ireo ampahany tsy ara-batan'ny olombeona. Ny "aina" dia mahatonga ny olona ho velona. Ny "fanahy" dia ampahany amin'ny vatan'olona izay mahatonga azy afaka mahafantatra sy mino an'Andriamanitra.

tonona amin'ny tsoka

Ny ''tonona'' no mampifandray ny taolana roa hiaraka. Ny "tsoka" no fizarana afovoany ao anatin'ny taolana.

Ka afaka fantarina

Ity dia miresaka momban'ny teninn' Andriamanitra toy ny hoe olona izay afaka mahafantatra zavatra izany. DH: "Ny tenin'Andriamanitra dia miharihary"

ny eritreritry ny fo sy ireo fikasana

Ity dia miresaka momban'ny fo toy ny hoe ivon'ny fieritreretana sy fihetsem-po ao amin'ny olona izany. DH: "ny zavatra izay sainin'ny olona sy kasainy atao"

tsy nisy famoronana niafina teo anatrehan'Andriamanitra

DH: "Tsy misy zavatra noforonin'Andriamanitra afaka hafenina Aminy"

ny zavatra rehetra dia miharihary sy misokatra

Ity dia miresaka momban'ireo zavatra rehetra toy ny hoe olona mijoro ankarihary, na vata misokatra izany. DH: "ny zava-drehetra dia miharihary tanteraka"

miharihary sy misokatra

Ireo teny roa ireo dia mitovy dikan-teny ary manamafy fa tsy misy miafina amin' Andriamanitra.

eo imason'ilay iray izay tsy maintsy hampamoahintsika.

Andriamanitra dia resahina toy ny hoe manana maso Izy. DH: "ho an'Andriamanitra, izay hitsara ny fomba niainantsika"