plt_tn/heb/04/08.md

2.0 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Eto ny mpanoratra dia mampitandrina ireo mpino mba tsy hoe tsy hankatoa fa mba hiditra ao amin'ny fitsaharana izay atolotr' Andriamanitra. Izy dia mampatsiahy azy ireo fa ny tenin'Andriamanitra dia hanameloka azy ireo ary izy ireo dia afaka tonga amin'ny vavaka miaraka amin'ny fahatokisana izay hanampian'Andriamanitra azy ireo.

fa raha Josoa no nanome fitsaharana azy ireo

Ny fiadanana sy fiarovana nomen'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe fitsaharana izay afaka omen'i Josoa izy ireo. AT: "raha noentin'i Josoa tany amin'ny toerana izay hanomezan' Andriamanitra azy ireo fitsaharana ireo Isiraelita" na "raha niaina tamin'ny fitahian'ny fitsaharan'Andriamanitra ireo Isiraelita nandritry ny fotoan'i Josoa"

dia mbola misy sabata fitsaharana voatokana ho an'ny vahoakan'Andriamanitra.

DH: "dia mbola misy sabata fitsaharana izay natokan'Andriamanitra ho an'ny olony"

sabata fitsaharana

Ny fiadanana mandrakizay sy fiarovana dia resahina toy ny hoe andro Sabata, andron'ny Jiosy hiderana ary hitsaharana amin'ny asa. DH: "fitsaharana mandrakizay"

izay miditra ao amin'ny fitsaharan'Andriamanitra

Ny fiadanana sy fiarovana nomen'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe toerana izay hidirana izy ireo. DH: "ny olona izay miditra ao amin'ny toeram-pitsaharan'Andriamanitra" na "ny olona izay miaina ny fitahian'ny fitsaharan' Andriamanitra"

aoka isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany

Ny fiadanana sy fiarovana nomen'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe toerana izay hidirana izy ireo. DH: "isika koa dia tokony hanao ny zava-drehetra izay vitantsika mba hitsaharana miaraka amin'Andriamanitra eo amin'izay misy Azy"

ho tafalatsaka amin'ny karazana tsy fankatoavana izay nataon'izy ireo.

Ny tsy fankatoavana dia resahina toy ny hoe lavaka izay afaka hianjeran'ny olona tsy nahy izany. DH: "Tsy hankatoa tahaka izay nataon'izy ireo"

izay nataon'izy ireo

Eto ny hoe ''izy ireo'' dia maneho ireo razamben'i Mosesy nandritry ny fotoanan'i Mosesy.