plt_tn/heb/03/16.md

1.8 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny teny hoe "izy ireo" dia maneho ireo Isiraelita tsy mankatoa, ary ny teny hoe "isika" dia maneho ny mpanoratra sy ireo mpamaky.

Iza izy izay efa nandre an'Andriamanitra ka nikomy? Fa tsy ireo rehetra izay nivoaka avy tany Egypta tamin'ny alalan'i Mosesy ve?

Ny mpanoratra dia mampiasa fanontaniana mba hampianarana ireo mpamakiny. Ireo fanontaniana roa ireo dia afaka hampiraisina ho fanambarana iray, raha ilaina. DH: "Ireo rehetra izay nivoaka avy tao Egipta niaraka tamin'i Mosesy dia nandre an'Andriamanitra, nefa mbola nikomy izy ireo."

Iza no nahatezitra Azy nandritry ny efapolo taona? Tsy ireo izay nanota ve, izay lavo tany an'efitra ny fatin'izy ireo?

Ny mpanoratra dia mampiasa fanontaniana mba hampianarana ireo mpamakiny. Ireo fanontaniana roa ireo dia afaka hampiraisina ho fanambarana iray, raha ilaina. DH: "Andriamanitra dia tezitra nandrity ny efapolo taona tamin'ireo izay nanota ary namela azy ireo ho faty tany an'efitra."

Ho an'iza no nianianany fa tsy hiditra ao amin'ny fitsaharany izy ireo, raha tsy ho an'ireo izay tsy nankatoa Azy?

Ny mpanoratra dia mampiasa ity fanontaniana ity mba hampianarana ireo mpamakiny. DH: "Ary ho an'ireo izay tsy nankatoa no nianianany fa Izy dia tsy hamela azy ireo hiditra ao amin'ny fitsaharany."

tsy hiditra ao amin'ny fitsaharany izy ireo

Ny fiadanana sy ny fiarovana nomen' Andriamanitradia dia resahina toy ny hoe fitsaharana izay afaka omeny izy ireo, sy toy ny hoe toerana izay afaka andehanan'ny olona. DH: "Izy ireo dia tsy hiditra ao amin'ny toeran'ny fitsaharana" na "izy ireo dia tsy hiaina ireo fitahian'ny fitsaharany''

nohon'ny tsy finoana

Eto ny hoe "tsy finoana" dia afaka adika amin'ny matoanteny hoe "mahatoky". DH: "satria izy ireo dia tsy nahatoky Azy"