plt_tn/heb/02/02.md

1.6 KiB

Fa raha marina ny hafatra izay notenenina tamin'ny alalan'ireo anjely

Ireo Jiosy dia nino fa Andriamanitra dia niteny ny lalàny tamin'i Mosesy tamin'ny alalan'ireo anjely. DH: "Fa raha marina ny hafatra izay notenenin' Andriamanitra tamin'ny alalan'ireo anjely"

Fa raha marina ny hafatra

Ny mpanoratra dia resy lahatra fa marina ireo zavatra ireo. DH: "Satria marina ny hafatra"

marina

"dia azo antoka"

ny fandikan-dalàna rehetra sy ny tsy fankatoavana dia mandray sazy ara-drariny

Eto ny teny hoe "fandikan-dalàna" na "tsy fankatoavana" dia ho an'ny olona izay tena mihazona amin'ireo fahotana ireo. DH: "Ny olona rehetra izay manota sy tsy mankatoa dia handray ny sazy ara-drariny"

fandikan-dalàna rehetra sy ny tsy fankatoavana

Ireo teny roa ireo dia mitovy dikan-teny.

dia ahoana ary no hafahantsika mandositra raha tsy miraraha izany famonjena lehibe loatra izany isika?

Ny mpanoratra dia manpiasa fanontaniana mba hanamafisana fa ny olona dia hahazo sazy tokoa raha tsy manaiky ny famonjen'Andriamanitra amin'ny alalan'i Kristy izy ireo. DH: "ary azo antoka fa hanasazy antsika Andriamanitra raha tsy mitandrina ny hafany momban'ny fomba hamonjen'Andriamanitra antsika isika!"

tsy miraharaha

''tsy manisy dikany"

Io no famonjena izay nambaran'ny Tompo voalohany

DH: "Ny Tompo tenany mihintsy no nanambara voalohany ny hafatra momban'ny fomba hamonjen'Andriamanitra antsika"

sy namafisin'ireo izay nandre izany tamintsika

DH: "ary ireo izay nandre ny hafatra dia nanamafy izany tamintsika"

araka ny sitrapony

"araka ny fomba izay tiany anaovany izany"