plt_tn/gen/31/14.md

32 lines
1.4 KiB
Markdown

# Namaly azy i Rahely sy Lea ka nanao taminy hoe
Tsy midika izany fa niara-niteny tamin'ny fotoana iray izy ireo. Manindry fotsiny izany fa nitovy ny hevitr'izy ireo.
# Mbola misy anjara na lova ho anay ve ao amin'ny tranon'ny rainay?
Nampiasa izany fanontaniana izany i Rahely sy Lea mba hanasongadinana fa tsy misy zavatra najanon'ny rainy mba homena azy ireo.DH: "Tsy misy zavatra nijanona mba ho lovainy avy amin'ny rainy intsony!''
# Tsy nataony toy ny fitondrana vahiny ve izahay?
Nampiasa izany fanontaniana izany izy ireo mba hanehoana ny fahatezeran'izy ireo noho ny fitondran'ny rainy azy ireo. DH: ''ny raintsika dia nitondra antsika toy ny vehivavy hafa raha tokony ho toy ny fitondrana zanaka vavy!''
# Satria namidiny izahay
Afaka atao mazava izany hoe: DH: "Namidiny izahay ho amin'ny tombotsoany manokana''
# ary koa noviravirainy tanteraka ny volanay
Nandany tanteraka ny vola izay tokony nomena ireo zanany vavy i Labana dia resahina toy ny biby bibidia izay nihinana ny vola tahaka ny sakafo. DH: "Nandany tanteraka ny volanay''
# ankehitriny dia anay sy ireo zanakay
''fananay sy ireo zanakay''
# Koa ankehitriny
Eto ny '' ankehitriny'' dia tsy midika hoe: ''amin'izao fotoana izao,'' fa kosa nampiasaina mba hisarihina ny fifantohana ho amin'ny teboka manan-danja izay ho avy manaraka.
# na inona na inona nolazain'Andriamanitra taminao, dia ataovy izany
''ataovy izay rehetra nolazain'Andriamanitra''