plt_tn/gen/22/01.md

40 lines
1.3 KiB
Markdown

# Ary
Izany andian-teny izany dia manamarika ny fiantombohan'ny fizaran-tantara vaovao. Raha manana fomba filaza an'izany ny fiteninao, dia afaka mihevitra ny hampiasa izany eto ianao.
# tao aorian'ireo zavatra ireo
Izany andian-teny izany dia ilazana ireo tranga niseho tao amin'ny toko 21.
# nitsapan'Andriamanitra an'i Abrahama
Toa milaza izany fa nitsapa an'i Abrahama Andriamanitra mba hafantatra raha mahatoky eo anatrehany i Abrahama. Ny tena dikan'izany fanambarana izany dia: DH: "nitsapa ny fahatokian'i Abrahama Andriamanitra"
# Inty aho
"eny, mihaino aho" na "eny, ahoana izay?"
# ilay lahy tokanao
Toa milaza izany fa mahafantatra Andriamanitra fa manana zanaka lahy hafa i Abrahama, dia Ismaela. Manasongadina izany fa Isaka ilay zanaka lahy izay nampanantenan'Andriamanitra homena an'i Abrahama. Ny tena hevitr'izany fanambarana izany dia azo atao hoe: DH: "ny zanakao lahy tokana izay nampanantenaiko"
# izay tianao
Manasongadina ny fitiavan'Abrahama an'i Isaka, ny zanany lahy izany.
# tanin'i Moria
"ny tany izay nantsoina hoe Moria"
# nanisy lasely ny borikiny
"namatratra entana ny borikiny" na "nametraka teo ambonin'ny borikiny izay nilainy amin'ny diany"
# tovolahy
"mpanompo" (UDB)
# "niainga tamin'ny diany"
"nanomboka ny diany" na "nanomboka ny dia" (UDB)