plt_tn/gal/05/11.md

1.8 KiB

Ry rahalahy, raha mbola manambara famorana aho, nahoana aho no mbola enjehina?

Mamaritra toe-javatra izay tsy misy i Paoly mba hanindriana fa manenjika azy ny olona satria tsy mitory ny amin'ny tokony hahatongavan'ny olona ho Jiosy izy. DH: "Ry rahalahy, hitanareo fa tsy mbola mitory ny amin'ny famorana ihany aho satria manenjika ahy ireo Jiosy."

rahalahy

Adikao araka ny ao amin'ny 1:1.

Amin'izany dia ho afaka tokoa ny fahatafintohinan'ny hazo fijaliana

Mamaritra zava-mitranga izay tsy misy i Paoly mba hanindriana fa manenjika azy ny olona satria tsy mitory ny amin'ny famelan'Andriamanitra ireo olona nohon'ny asan'i Jesosy teo amin'ny hazofijaliana izy.

Amin'izany

"Raha mbola niteny aho fa mila miova ho Jiosy ny olona"

afaka tokoa ny fahatafintohinan'ny hazo fijaliana

Azo atao hoe DH: "tsy misy vato fanafintohinana ny fampianarana momba ny hazofijaliana" na "tsy misy na inona na inona ao amin'ny fampianarana izay mahatonga ny olona ho tafintohina"

afaka tokoa ny fahatafintohinan'ny hazo fijaliana

Ny fahatafintohinana dia anehoana ny fahotana, ary ny vato fanafintohinana dia ilazana zavatra izay mitarika fahotana ho an'ny olona. Eto amin'ity toe-javatra ity ny fahotana dia ny fandàvana ny fahamarinan'ny fampianarana hoe, mba ho marina eo amin'Andriamanitra, dia mila mino ny olona fa maty ho antsika teo amin'ny hazofijaliana i Jesosy. DH: "nesorina ny fampianarana momba ny hazofijaliana izay mitarika ny olona handà ny fahamarinana" na "tsy misy na inona na inona ao amin'ny fampianarana momba ny fahafatesan'i Jesosy teo amin'ny hazofijaliana izay mety hitarika ny olona handà ny fampianarana"

hanapaka ny tenany izy ireo

Ireo mety ho dikany dia 1) ara-bakiteny, manapaka ny taovam-pananahan'izy ireo mba ho tonga ionoka na 2) sarin-teny, hiala tanteraka amin'ny vondrona Kristiana,.