plt_tn/gal/04/06.md

1.5 KiB

zanaka ianareo ... tsy andevo intsony ianao, fa zanaka

Mampiasa ny teny mahalaza ny zaza lahy i Paoly eto satria lova no resaka. Amin'ny fomban-drazany sy ny an'ireo mpamaky, ny lova matetika, dia mifindra any amin'ny lahy. Sady tsy manavaka no tsy manala ny vavy ao anaty lisitra izy.

nirahin'Andriamanitra ho ao am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany, izay miantso hoe: "Aba, Ray."

Nandefa ny Fanahin'ny Zanak'Andriamanitra ho ao am-pon'ireo mino Azy ny Andriamanitra Ray. Ankehitriny dia fantatr'izy ireo fa tian'Andriamanitra hatrany toy ny fitiavan'ny ray malemy fanahy ireo zanany izy ireo.

nirahin'Andriamanitra ho ao am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany

Ilazana ny rantsana iray izay afaka misaina sy mahatsapa ao amin'ny olona ny fo eto. DH: "nandefa ny Fanahin'ny Zanany mba hampiseho antsika ny fomba fihevitra sy fiasa"

Zanany

Fiantsoana manan-danja an'i Jesosy, ilay zanak'Andriamanitra io.

izay miantso hoe

Ny Fanahy no ilay iray izay miantso.

Aba, Ray

Io no fomba hiantsoan'ny zaza ny rainy tamin'ny fitenin'i Paoly, fa tsy tamin'ny fitenin'ireo Galatiana mpamaky. Mba hitazonana ny fiteny vahiny, dia adikao amin'ny fomba izay mifanakaiky indrindra amin'ny hoe "Aba" araka izay azon'ny fiteninao atao izany.

sy andevo intsony ianao ... mpandova amin'ny alalan'Andriamanitra ihany koa ianao

Miresaka amin'ireo mpamaky toy ny hoe amin'olona iray ihany i Paoly.

mpandova

Ireo olona izay nanaovan'Andriamanitra ny fampanantenana eto dia resahina toy ny handova tany sy harena avy amina olona iray ao amin'ny fiankaviana.