plt_tn/gal/04/03.md

725 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny teny hoe "isika'' ato dia manondro ny kristiana rehetra, ao anatin'izany ireo mpamakin'i Paoly.

lalàna fitsipi-pianaran'izao tontolo izao

Ireo mety ho dikany dia 1) maneho ireo lalàna na fitsipika ara-moralin'izao tontolo izao io, na 2) maneho ny hery ara-panahy, izay heverin'ny hafa fa mifehy izay miseho eto an-tany io.

hanavotana

"hividianana indray." Mampiasa sarin-teny ilazana olona iray mividy indray ny fanana efa very na mividy ny fahafahan'ny andevo iray i Paoly mba ho kisarisary maneho an'i Jesosy mandoa ny vidin'ny otan'ireo olony tamin'ny fahafatesana teo amin'ny hazo fijaliana.

Zanany

Fiantsoana manan-danja an'i Jesosy, ilay zanak'Andriamanitra io.