plt_tn/gal/03/19.md

1.2 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Milaza amin'ireo mpino ao Galatia ny antony nanomezan'Andriamanitra ny lalàna i Paoly.

Inona, ary, ny tanjon'ny lalàna?

Mampiasa fanontaniana fampisainana i Paoly mba hampidirana ny lohahevitra manaraka izay hiadiana hevitra. Azo adika ho teny tsotra ihany koa io. DH: "Ho lazaiko aminareo ny antom-pisian'ny lalàna" na "Mamelà ahy hilaza aminareo hoe nahoana Andriamanitra no nanome ny lalàna"

Nasiana izany

Azo atao hoe DH: "Nasian'Andriamaniitra izany" na "Nasian'Andriamanitra ny lalàna"

Ny lalàna dia nataon'ny mpanalalana iray ho manan-kery tamin'ny alalan'ny anjely

Azo atao hoe DH: "Nanao ny lalàna tamin'ny fanampian'ireo anjely Andriamanitra, ary misy mpanelanelana nahatonga izany ho nanan-kery"

mpanalalana

"mpisolo tena"

Fa ny mpanelanelana dia midika olona mihoatra ny iray, kanefa Andriamanitra dia iray

Nanome ny fampanantenany an'i Abrahama tsy nisy mpanelanelana Andriamanitra, saingy nanome ny lalàna an'i Mosesy tamin'ny alalan'ny mpanelanelana Izy. Vokatr'izany, ireo mpamakin'i Paoly dia mety ho nihevitra fa nahatonga ny fampanantenana ho tsy manan-kery ny lalàna. Milaza izay mety ho noheverin'ireo mpamaky i Paoly eto, ary hamaly azy ireo ao amin'ny andininy manaraka.