plt_tn/gal/03/10.md

1.3 KiB

Ireo izay miankina amin'ny ... eo ambanin'ny ozona

Ny hoe ao ambanin'ny ozona dia ilazana hoe voaozona. Eto izany dia maneho ny famaizana mandrakizay. "Ireo izay miankina amin'ny ... ny lalàna dia voaozona" na "Ho faizin'Andriamanitra mandrakizay ireo izay miankina amin'ny ... lalàna"

Ankehitriny dia mazava

Azo hazavaina kokoa ny hoe inona no "mazava." DH: "Mazava ny soratra masina" na "Mampianatra mazava ny soratra masina"

tsy misy olona izay hamarinina eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny lalàna

Azo atao hoe DH: "tsy manamarina an'iza na iza amin'ny lalàna Andriamanitra"

tsy misy olona izay hamarinina eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny lalàna

I Paoly dia manitsy ny finoan'izy ireo fa raha mankatoa ny lalàna izy ireo, dia hanamarina azy ireo Andriamanitra. DH: "tsy misy voamarina eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fankatoavana ny lalàna" na "Tsy manamarina an'iza na iza nohon'ny fankatoavany ny lalàna Andriamanitra"

ny marina

Ilazana ireo olo-marina io. DH: "olo-marina" na "olona izay raisin'Andriamanitra ho marina"

asan'ny lalàna

"izay ambaran'ny lalàna fa tsy maintsy ataontsika"

tsy maintsy velona amin'ireo

Ireo mety ho heviny dia 1) "tsy maintsy mankatoa azy rehetra" na 2) "ho tsaraina amin'ny fahaizany manao izay angatahin'ny lalàna"