plt_tn/gal/03/06.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Mampatsiahy ireo mpino Galatiana i Paoly fa na dia i Abrahama aza dia nandray fahamarinana tamin'ny finoana fa tsy tamin'ny lalàna.

nisaina ho fahamarinany izany

Hitan'Andriamanitra ny finoan'i Abrahama an'Andriamanitra, koa noraisin'Andriamanitra ho marina i Abrahama.

ireo izay amin'ny finoana

"ireo izay manana finoana." Ny hevitry ny anarana hoe "finoana" dia azo atao matoanteny hoe "mino." DH: "ireo izay mino"

zanak'i Abrahama

Maneho ireo olona izay hitan'Andriamanitra tahaka ny nahitany an'i Abrahama io. DH: "marina tahaka ny nahamarina an'i Abrahama"

nahita mialoha

Satria nanao ny fampanantenana tamin'i Abrahama Andriamanitra ary nosoratan'izy ireo nialohan'ny nahatanterahan'izany tamin'ny alalan'i Kristy izany, dia toy ny olona iray izay mahalala ny ho avy mialohan'ny hisehoan'izany ny soratra masina. DH: "nilaza mialoha" na "nahita mialohan'ny hisehoan'izany"

Ao aminao

"Noho izay vitanao" na "Satria notahiako ianao." Ny teny hoe "ianao" eto dia manondro an'i Abrahama.

ny firenena rehetra

"ny vondron'olona rehetra eto amin'izao tontolo izao." Tsindrian'Andriamanitra fa tsy mitanila amin'ny vahoaka Jiosy, ilay vondrona voafidiny ihany Izy. Ny drafitry ny famonjeny dia ho an'ny Jiosy sy ireo tsy Jiosy.