plt_tn/gal/03/04.md

2.1 KiB

nijaly tamin'ny zava-maro tamin'ny tsy misy dikany ve ianareo ... ?

Mampiasa io fanontaniana io i Paoly mba hampatsiahivana ireo Galatiana fa tamin'izy ireo nijaly, dia nino izy ireo fa handray tombony. DH: "Tsy nieritreritra mihitsy ianareo fa niaritra zava-maro tamin'ny tsy misy dikany ... !" na "Fantatrareo tokoa fa misy antony tsara hiaretanareo zava-maro ... !"

nijaly tamin'ny zava-maro tamin'ny tsy misy dikany ve ianareo

Azo atao mazava fa niaritra ireo zavatra ireo izy ireo noho ny olona nanohitra azy ireo ny amin'ny finoana an'i Kristy. DH: "Niaritra zava-maro avy tamin'ireo izay nanohitra anareo nohon'ny finoanareo an'ny Kristy tamin'ny tsy misy dikany ve ianareo" na "Nino an'i Kristy ianareo, ary niaritra zava-maro avy tamin'ireo izay manohitra an'i Kristy. Zava-poana ve ny finoanareo sy ny fijalianareo"

tamin'ny tsy misy dikany

"tamin'ny tsy misy antony" na "tsy misy fanantenana handray zavatra tsara"

raha tena foana tokoa

Ireo mety ho heviny dia 1) Mampiasa fanontaniana fampisainana i Paoly mba hampitandremana azy ireo tsy hamela ny zavatra niainan'izy ireo ho tsy misy dikany. DH: "Aza avela ho tsy misy dikany izany!" na "Aza mitsahatra mino an'i Jesosy Kristy ka hamela ny fiaretanareo ho zava-poana." na 2) Mampiasa io fanontaniana io i Paoly mba hanomezana toky azy ireo fa tsy zava-poana ny fiaretan'izy ireo. DH: "Tsy zava-poana tokoa izany!"

Moa ve izy izay ... manao izany izany amin'ny asan'ny lalàna, sa amin'ny fiainoana amin'ny finoana?

Mametraka fanontaniana fampisainana iray hafa i Paoly mba hampatsiahivana ireo Galatiana ny fomba handraisan'ny olona ny Fanahy. DH: "Izy ... tsy manao izany amin'ny asan'ny lalàna; manao izany amin'ny fihainoana amin'ny finoana izy."

amin'ny asan'ny lalàna

Io dia maneho ireo olona manao ireo asa takian'ny lalàna. DH: "satria manao ny asa asain'ny lalàna ataontsika ianareo."

fiainoana amin'ny finoana?

Mety hitaky ny fanaovana mazava kokoa ren'ny olona sy izay ninoan'izy ireo ny fiteninao. DH: "satria renareo ny hafatra ary nanana finoana an'i Jesosy ianareo" na "satria nihaino ny hafatra ianareo ary nino an'i Jesosy"