plt_tn/gal/03/01.md

1.6 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Mampatsiahy ireo mpino ao Galatia i Paoly fa Andriamanitra dia nanome ny Fanahin'Andriamanitra tamin'ny ninoan'izy ireo ny filazantsaran'ny finoana, fa tsy amin'ny alalan'ny fampiharan'izy ireo ny lalàn'Andriamanitra.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mananatra ireo Galatiana amin'ny fametrahana fanontaniana fampisainana i Paoly.

Iza no namosavy anareo?

Mampiasa eso-teny sy fanontaniana fampisainana i Paoly mba hilazana fa toy ny namosavian'olona iray izy ireo. Tsy tena mino akory izy fa tena nisy namosavy izy ireo. DH: "Ny toetranareo dia toy ny hoe nisy namosavy ianareo!"

Izao ihany no zavatra tiako ianarana aminareo

Mbola tohin'ilay eso-teny tao amin'ny andininy 1 ity. Efa fantatr'i Paoly ny valin'ny fanontaniana fampisainana izay ho apetrany.

Nandray ny Fanahy tamin'ny asan'ny lalàna sa tamin'ny finoana izay renareo ianareo?

Adikao ho fanontaniana ity fanontaniana fampisainana ity raha azonao atao, satria hiandry fanontaniana ny mpamaky eto. Ary koa, ezaho mba ho fantatry ny mpamaky fa ny valin'ilay fanontaniana dia "amin'ny alalan'ny finoana izay renareo," fa tsy "amin'ny alalan'ny fanaovana izany lazain'ny lalàna." DH: "Nandray ny Fanahy ianareo, tsy tamin'ny fanaovana izay lazain'ny lalàna, fa tamin'ny finoana izay renareo."

Adala tokoa ve ianareo?

Ity fanontaniana fampisainana ity dia mampiseho fa taitra, eny tezitra aza i Paoly satria adala ireo Galatiana. DH: "Tena adala ianareo!"

amin'ny nofo

Ny teny hoe "nofo" dia ilazana ny ezaka. DH: "amin'ny fiezahanareo manokana" na "amin'ny asanareo manokana"