plt_tn/ezr/07/21.md

2.0 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Ity dia tohin'ny didy izay nomen'i Artaksersesy Mpanjaka an'i Ezra.

Faritany Andafin'ny Ony

Io dia anaran'ny faritany izay andrefan'ny Renirano Eofrata. Izany dia ampitan'ny renirano avy any amin'ny tanànan'i Sosa. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 4:9.

fa ny zavatra rehetra izay angatahin'i Ezra aminao dia tokony homena manontolo

"Omeo an'i Ezra avokoa ny zavatra rehetra angatahiny aminao"

tokony homena manontolo

Ny andianteny hoe "manontolo" eto dia manambara izay fatra rehetra ilaina hanaovana ny asa. DH: "tokony homena mihoatra izay ilainy"

talenta volafotsy zato

"talenta volafotsy 100." Mety hamadika izany amin'ny fandrefesena amin'izao fotoana izao ianao. DH: "talenta volafotsy 3.400" na ''telo sy sasany taonina"

vary zato kora

Mety hamadika izany amin'ny fandrefesena amin'izao fotoana izao ianao. DH: "vary 22.000 litatra" na "diloilo roa arivo litatra"

diloilo zato bata

Mety hamadika izany amin'ny fandrefesena amin'izao fotoana izao ianao. DH: "diloilo 22.000 litatra" na "vary roa alina litatra"

ny tranony

Io dia manondro ny tempolin'Andriamanitra.

Fa nahoana ny fahatezerany no ho tonga eo amin'ny fanjakako sy ireo zanako lahy?

Mampiasa io fanontaniana io ny mpanjaka mba hilazana fa tsy tiany ho tonga amin'izy ireo ny hatezeran'Andriamanitra. Ny fampahalalana fanazavana dia hoe raha tsy nanome an'i Ezra izay nilainy izy ireo, dia hanasazy ny fanjakana Andriamanitra. DH: "Fa tsy tianay ho tonga amin'ny fanjakako sy ireo zanako lahy ny hatezeran'Andriamanitra" na "Fa raha tsy manao ireo zavatra ireo ianao, dia ho tonga amin'ny fanjakako sy ireo zanako lahy ny hatezeran'Andriamanitra."

Fa nahoana ny fahatezerany no ho tonga eo amin'ny fanjakako sy ireo zanako lahy

Ny fahatezeran'Andriamanitra dia manambara ny fanasazian'Andriamanitra azy ireo. DH: "Fa nahoana no tokony hanasazy ny fanjakako sy ireo zanako lahy Andriamanitra" na "Fa raha tsy manao ireo zavatra ireo ianao, dia hanasazy ny fanjakako sy ireo zanako lahy Andriamanitra"