plt_tn/ezr/04/14.md

1.1 KiB

nihinana tamin'ny siran'ny lapa izahay

Ireo mety ho heviny dia mety hanondro izao izany 1) tsy nivadika tamin'ny mpanjaka ireo mpanoratra (UDB) na 2) nanome voninahitra manokana ireo mpanoratra ny mpanjaka. DH: "tsy nivadika taminao izahay" na "efa nanome voninahitra anay tamin'ny nanaovanao anay ho manamboninahitrao ianao"

tanàna mpikomy

Ny tanàna dia sarinteny hilazana ny olona izay monina ao. DH: "tanàna izay onenan'ny olona izay efa nikomy tamin-drainao"

naharava ilay tanàna

Mety ilainao ny manazava hoe iza no nandrava ilay tanàna. DH: "noravain'ireo Babyloniana ilay tanàna"

fa raha voaorina io tanàna sy manda io

DH: "raha nanorina ilay tanàna sy ny manda izy ireo" Ireo teny mitovy amin'izany dia hita ao amin'ny 4:13.

dia tsy hisy na inona na inona ho tavela ho anao

Io dia itatra mba hampieritreretana ny mpanjaka fa ho very hetra betsaka izy raha mikomy ireo Jodiana.

Faritany Andafin'ny Ony

Io dia anaran'ny faritany izay andrefan'ny Renirano Eofrata. Izany dia ampitan'ny renirano avy any amin'ny tanànan'i Sosa. Adikao toy ny tao amin'ny 4:9.