plt_tn/ezr/03/03.md

908 B

napetrak'izy ireo teo amin'ny fitoerany ilay alitara

"nanao ny alitara teo amin'ny fitoerany" na "nametraka ny alitara teo amin'ny fitoerany mba hipetraka eo izany"

nanenika azy ireo ny horohoro

Io dia fomba fiteny. DH: "natahotra izy ireo"

nohon'ny amin'ny olon'ilay tany

Mety ilainao ny manazava ny momba ny vahoakan'ny tany izay nampatahotra ireo Jiosy. DH: "satria noheverin'izy ireo fa te hanafika azy ireo ny vahoakan'ilay tany"

Nanolotra fanatitra dorana ho an'i Yaveh vao mangiran-dratsy sy tamin'ny hariva izy ireo

Ny zavatra voalohany nataon'ny vahoaka dia ny nanomboka nanolotra sorona. Izany dia talohan'ny nanangana indray ny tempoly.

Firavoravoan'ny Fialofana

Io dia firavoravoana izay nankalazaina anatin'ny valo andro mandritra ny volana fahafito amin'ny tetiandro Hebreo. Izany dia niaraka tamin'ny fotoan'ny eksodosy fony mbola nipetraka tao amin'ny lay ireo Israelitra.