plt_tn/ezk/37/15.md

32 lines
1.1 KiB
Markdown

# tonga tamiko ny tenin'i Yaveh
"niteny ny teniny i Yaveh." Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 1:1.
# zanak'olona
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 2:1.
# Ho an'i Joda
DH: "misolo-tena an'i Joda" na "an'i Joda"
# Joda
Ny fokon'i Joda dia nipetraka tany amin'ny fanjakana tatsimon'Israely izay nantsoina hoe Joda. Eto ilay anarana dia nampiasaina mba hanehoana an'ilay fanjakana atsimo manontolo.
# ny vahoakan'Israely, ireo namany
Ity dia maneho an'ireo Israelita izay nipetraka tany amin'ny fanjakana tatsimon'i Joda. DH: "ireo fokon'i Joda rehetra" (UDB) na "ireo fokon'Israely izay isan'ny fanjakan'i Joda.
# Efraima
Ny fokon'i Efraima dia nipetraka tany amin'ny fanjakana tavaratr'Israely. Eto ilay anarana dia nampiasaina mba hanehoana an'ilay fanjakana tavaratra manontolo.
# ireo vahoakan'Israely rehetra, ireo namany
Ity dia maneho an'ireo Israelita izay nipetraka tany amin'ny fanjakana tavaratr'Israely. DH: "ny fokon'Israely rehetra" (UDB) na "ireo Israelita izay isan'ny fanjakan'Israely"
# ho tapa-kazo iray
"mba ho tonga tapa-kazo iray ireo"