plt_tn/ezk/36/10.md

933 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ity dia manohy ny hafatr'i Yaveh amin'ireo tendrombohitr'Israely.

ankohonan'Israely

Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 3:1.

Hisy mponina ireo tanàna ary harenina indray ireo rava

DH: "dia hipetraka ao amin'ireo tanàna ny olona ary hamerina hanangana an'ireo rava."

hitombo sy hahavokatra izy ireo

"ho lasa vahoaka maro izy ireo ary hanana zanaka maro"

hahatonga anareo hisy mponina tahaka anareo teo aloha

"hahatonga ny olona hipetraka eo aminareo tendrombohitra tahaka ny nataon'izy ireo teo aloha"

hahafantaranareo fa Izaho no Yaveh

Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 6:6.

Ho fananan'izy ireo ianao

Ny teny hoe "ianao" dia maneho ny "tanin'Israely."

tsy hahatonga ny zanak'izy ireo ho faty intsony ianao

Tiana lazaina eto fa taloha ny ankizy dia maty satria tsy ampy ny sakafo teo amin'ilay tany. Ankehitriny ilay tany dia hamokatra sakafo sahaza.