plt_tn/ezk/31/13.md

1.4 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mitohy ny fanoharan'i Yaveh momban'ilay sedera.

Ny voron'ny lanitra rehetra

"ny vorona rehetra izay manidina eny amin'ny habakabaka"

nijanona teo amin'ny vatan'ilay hazo

Ity dia afaka adika hoe "nipetraka teo amin'ireo sisa tavelan'ilay sedera" na "nipetraka teo amin'ny hazo maty avy eo amin'ilay sedera izay nandry teo amin'ny tany"

vatan'ilay hazo

Ny vatan-kazo dia ilay faritra tena matevina amin'ny hazo izay mivoaka avy ao amin'ny tany ary mihazona ny sisa amin'ilay hazo.

ny biby rehetra tao an-tsaha dia nankeo amin'ny sampany

"nipetraka teo amin'ny sampan'ilay sedera ireo bibidia"

hanangana ny raviny hatreny amin'ny haavon'ny hazo avo indrindra

Ireo mety ho heviny dia 1) "tsy hihalava kokoa noho ny sampan'ireo hazo hafa" na 2) "tsy hametraka ny tendron'izy ireo eny amin'ny rahona."

mba tsy hisy hazo hafa haniry eo akaikin'ny rano ka hahatratra izany haavo izany

"ary tsy hisy hazo hafa izay mahazo rano be hihalava tahaka izany indray"

Efa voatendry ho amin'ny fahafatesana avokoa izy rehetra

"Efa nomeko ny fahafatesana avokoa izy rehetra" na "nataoko izany mba ho faty izy rehetra." Yaveh no miteny.

ho any ambany tany

"ary nanao izany mba handeha lalina any ambanin'ny tany izy rehetra"

eo amin'ireo zanak'olombelona, miaraka amin'ireo izay midina any an-davaka

"mba hiaraka amin'ireo olona izay efa maty ary nandeha nidina tao am-pasana"