plt_tn/ezk/31/03.md

991 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ireto dia tenin'Andriamanitra amin'i Farao momban'i Asyria. Andriamanitra dia manome ny hafany amin'ny endrika fanoharana momban'ny hazo sedera lehibe.

Indro!

DH: "jereo!" na "henoy!" na "mifantoha amin'izay ho lazaiko anao!"

nanome alokaloka ho an'ny ala

Ireo mety ho heviny dia 1) "feno raviny ka manome aloka tsara izany" na 2) "izay nanome aloka ho an'ireo hazo hafa ao an'ala."

avo indrindra

"tena lava be"

ny sampany nananika ny rahona

Ireo mety ho heviny dia 1) "teny amin'ny rahona ny tendron'ilay hazo" na 2) "teny ambonin'ny rantsan'ireo hazo hafa ny tendrony"

Rano maro no nahalava izany

"Satria feno rano ilay sedera, dia nihalava be izany"

ny rano lalina no nahagoavana izany

"ilay rano lalina ao amin'ny tany no nampitombo be an'ilay sedera"

satria ny lakan-dranony dia nivelatra tamin'ny hazo rehetra tao an-tsaha

"ary nikoriana avy teo amin'ireo renirano nankany amin'ireo hazo rehetra teo an-tsaha ny rano"