plt_tn/ezk/17/05.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ity dia tohin'ilay fanoharana momban'ilay voromahery.

Naka voan'ny tany misimisy koa izy

Ny teny hoe "izy" dia maneho an'ilay voromahery ao amin'ilay fanoharana.

tany mahavokatra

"saha izay vonona ny amin'ny voa izay ho ambolena eo aminy." Fandikana hafa: "tany tsara"

Napetrany teo amoron'ny vatan-drano lehibe izany

"napetrak'ilay voromahery teo amin'ny toerana feno rano ilay voa"

napetrany ... tahaka ny hazo malahelo

Ny hazo malahelo dia maniry eny amin'ireo toerana izay feno rano. Raha nambolen'ilay voromahery tahaka ny hazo malahelo ilay voa, dia midika izany fa namboleny teo amin'ny toerana feno rano izany. Fandikana hafa: "ary namboly ilay voa tahaka ny hazo malahelo eo amin'ny rano."

Dia nitsimoka izany

"dia nanomboka naniry ilay voa"

fielezan'ny voaloboka ambany amin'ny tany

"voaloboka izay miely eo amin'ny tany"

Ireo sampany dia niodina teo aminy

Niodina teo amin'ilay voromahery ny rantsan'ilay voaloboka.

ireo fakany nitombo teo ambanin'izany

nitombo teo ambanin'ilay voromahery ireo fakan'ilay voaloboka.

Dia lasa voaloboka izany

"izany no fomba nitomboan'ny voaloboka"

namokatra rantsana izany ary namoaka sampany

"namoa rantsana ary nampiely ny sampany"