plt_tn/ezk/09/07.md

1.0 KiB

Fampahafantarana amini'ny ankapobeny

Andriamanitra manohy miresaka amin'ireo mpiambina mitsara ny vahoakan'Israely.

nanafika ny tanàna

"nanafika ny vahoaka tao amin'ilay tanàna"

nampiankohoka ny tavako aho

"niankohoka tamin'ny tany aho" na "nandry teo amin'ny tany aho." Tsy nianjera tsinahy i Ezekiela. Niankohoka tamin'ny tany izy mba hampisehoana fa nanaja sy natahotra an'i Yaveh izy. Adikao toy ny tao amin'ny 1:27.

Indrisy, ry Tompo Yaveh

Milaza ity Ezekiela satria tena mikorontana amin'izay nasain'ny Tompo mba ataon'ireo lehilahy amin'i Jerosalema izy. Adikao toy ny tao amin'ny 4:14.

handrava ireo sisa tavelan'Israely rehetra amin'ny fandrarahana ny fahatezeranao amin'i Jerosalema ve Ianao

"hamotika an'ireo sisa rehetran'Israely ve Ianao amin'ny alalan'ny fandrarahana ny hatezeranao amin'i Jerosalema?" Miangavy an'i Yaveh i Ezekiela mba tsy handrava an'ireo sisa tavela. DH: "Miangavy mba aza ravaina ny sisa rehetran'Israely amin'ny alalan'ny fandrarahana ny hatezeranao amin'i Jerosalema!"