plt_tn/ezk/08/17.md

1.2 KiB

Moa ve zavatra kely ho an'ny ankohonan'i Joda ny fanaovana ireo fahavetavetana izay ataon'izy ireo eto

Mampiasa fanontaniana Andriamanitra mba hampisehoana ny hatezerany fa ny vahoakan'i Joda dia tsy mieritreritra hoe tena ratsy ny fanompoan-tsampy. Fandikana hafa: Moa ny vahoakan'i Joda mieritreritra fa tsy matotra ny fahavetavetan'izy ireo?"

ankohonan'i Joda

Ny teny hoe "ankohonana" dia sarinteny ho an'ny fianakaviana izay mipetraka ao amin'ilay trano, amin'ity tranga ity dia ireo taranak'i Joda an-taona maro. DH: "ny vondron'olona Joda" na "ny vahoakan'i Joda" Misy teny mitovy hita ao amin'ny 3:1.

efa nofenoin'izy ireo herisetra ny tany

"manerana ny firenena dia manao zavatra feno herisetra izy ireo" na "manerana ny firenena rehetra dia mifanafika izy ireo"

mba hihantsy Ahy amin'ny fahatezerako

"mba hampatezitra Ahy"

fametrahana rantsa-kazo eo amin'ny oron'izy ireo

Ity dia mety midika hoe "fihazonana rantsa-kazo ny oron'izy ireo amin'ny fanompoan-tsampy"

tsy hamindra fo azy ireo Aho

"mbola hanasazy azy ireo Aho"

Na dia mitomany amin'ny feo mafy eo an-tsofiko aza izy ireo

Fandikana hafa: "Na dia mivazavaza ny fivavak'izy ireo Amiko amin'ny feo mafy aza izy ireo"