plt_tn/ezk/05/09.md

946 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Yaveh manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely sy Jerosalema.

izay tsy mbola nataoko ary ny mitovy amin'izany dia tsy hataoko intsony

"araka izay tsy mbola nataoko teo aloha sy tsy ho ataoko amin'ny fomba mitovy intsony" na "tahaka izay tsy nataoko mihitsy teo aloha ary tsy ho ataoko intsony mihitsy" (UDB).

noho ireo asa maharikorikonao rehetra

"noho ireo zavatra maharikoriko rehetra izay ataonao." Tezitra Andriamanitra satria nanompo sampy sy andriamanitra sandoka ny vahoaka.

hihinana ny zanaka eo afovoanareo ny ray, ary ireo zanaka hihinana ny rainy

Ezekiela dia mety milaza izay tena hitranga marina rehefa tsy manana sakafo ny vahoaka.

hanatanteraka fitsaràna eo aminareo Aho

"hitsara anareo Aho" na "hanasazy mafy anareo Aho" (UDB)

hampiely anareo rehetra izay tavela ho amin'ny lalana rehetra

"ary ho tereko handeha any amin'ny toerana samihafa ianareo rehetra izay tavela"