plt_tn/ezk/01/10.md

1.4 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Ezekiela manohy mamaritra ny fahitany.

Ny endriky ny tavan'izy ireo dia tahaka ny endrik'olombelona

Ezekiela dia mamaritra ny tavan'ireo zava-manan'aina eo amin'ny anoloan'izy ireo. DH: "Toy izao ny endriky ny zava-manan'aina tsirairay: Ny tava anoloana dia nisendrika tarehin'olombelona"

Ny ilany ankavanan'ny tavan'ny efatra tamin'izy ireo dia niendrika liona

"ny endrika teo amin'ny ilany havanan'ny lohany dia niendrika toy ny tavan'ny liona"

ary ny ilany ankavian'ny tavan'ny efatra tamin'izy ireo dia niendrika toy ny endrik'omby

"ny endrika teo amin'ny ilany havian'ny lohany dia niendrika toy ny endrik'omby"

endrika voromahery

"ary farany, ny endrika tao aorian'ny lohany dia niendrika toy ny endrika voromahery"

ary ny elany dia nivelatra ambony ka samy nanana elatra roa avy ireo zava-manan'aina ireo izay nifampikasika tamin'ny elatry ny zava-manan'aina hafa

"ny zava-manan'aina tsirairay dia namelatra roa tamin'ny elany ka nikasika ny elatr'ilay zava-manan'aina teo akaikiny ny elatra iray, ary ilay elatra hafa nikasika ny elatra'ilay zava-manan'aina teo akaikiny"

ary elatra roa ihany koa izay nandrakotra ny vatan'izy ireo

Afaka atao fehezanteny vaovao ity. DH: "ireo elatra roa hafan'ny zava-manan'aina tsirairay dia nandrakotra ny vatany"

Samy nizotra nankany aloha izy ireo

"ny zava-manan'aina tsirairay dia samy nandeha niaraka tamin'ny endrika nijery tany aloha"