plt_tn/exo/32/12.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy mandresy lahatra an'Andriamanitra mba tsy hamotika ny Israely i Mosesy.

Nahoana ireo Egyptiana no tokony hilaza hoe: 'Fikasàna ratsy no nitarihany azy ireo hivoaka...handringanana azy ireo hiala amin'ny tany?'

Nampiasa io fanontaniana io i Mosesy mba hiezahana handresy lahatra an'Andriamanitra mba tsy handrava ny olony. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: Raha mamotika ny vahoakanao Ianao, dia mety hilaza ireo Egyptiana hoe: 'Notarihiny hivoaka izy ireo...mba hamotehina azy ireo hiala amin'ny tany'.

ny tany

"amin'ny velaran'ny tany'' na "amin'ny tany"

Mialà amin'ny fahatezeranao mirehitra

"Atsaharo ny fahatezeranao mirehitra" na "Aza tezitra be intsony"

fahatezeranao mirehitra

Ny fahatezeran'Andriamanitra dia resahin'i Mosesy toy ny hoe afo izay nandoro izany. DH: "ny hatezeranao lehibe"

Tsarovy Abrahama

"Tadidio i Abrahama" na "Eritrereto ny momba an'i Abrahama''

nianiananao

"nanao fianianana" na "nampanantena mafy''

Handova izany mandrakizay izy ireo

Ny momba ny fananan'izy ireo tany dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe handova izany izy ireo. DH: "Hahazo izany mandrakizay izy ireo"