plt_tn/exo/27/17.md

714 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy miteny amin'i Mosesy ny amin'izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh.

zato hakiho

"100 hakiho". Ny iray hakiho dia 46 santimetatra.

fefy lamba rongony fotsy madinika voatenona

"rongony fotsy madinika notenonina tsara. Io dia lamba natao tamin'ny kofehy rongony fotsy madinika izay tenonin'ny olona mba hanaovana kofehy mafy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 26:36.

sy ny fihantonan-day rehetra amin'ny tabernakely sy ny kianja dia tsy maintsy atao amin'ny varahina

DH: "ary ataovy varahina ny fihantonan-day rehetra amin'ny tabernakely sy ny kianja"

fihantonan-day

tapa-kazo na vy maranitra nampiasaina mba hiaro ireo tandroky ny lay amin'ny tany