plt_tn/exo/15/04.md

678 B

Nanipy ny kalesin'i Farao sy ny tafika tao anaty ranomasina Izy

Mihira momba an'Andriamanitra izay nahatonga ny ranomasina hanarona ny kalesin'i Farao sy tafika rehefa nanipy azy ireo tao an-dranomasina. DH: "nataony nanarona ny kalesin'i Farao sy ny tafika" na "nalentiny tao an-dranomasina ny mpitaingina ny kalesin'i Farao sy ny tafika"

nilentika tany amin'ny lalina tahaka ny vato izy ireo

Tahaka ny vato tsy mitsingevana fa milentika any amin'ny farany ambanin'ny ranomasina, nilentika tany amin'ny farany ambanin'ny ranomasina ny miaramila fahavalo. DH: "nidina tany an-dranomasina lalina tahaka ny vato milentika any amin'ny farany ambanin'ny ranomasina izy ireo"