plt_tn/exo/13/08.md

1.4 KiB

Amin'izany andro izany dia hilaza amin'ireo zanakao ianao hoe: 'Izany dia noho izay nataon'i Yaveh tamiko rehefa nivoaka tany Egypta aho.'

DH: "Amin'ny andro tokony hilazanao amin'ireo zanakao fa izany dia noho ny nataon'i Yaveh anao fony nivoaka avy tao Egypta ianao"

Izany dia ho fampatsiahivana ho anareo eo amin'ny tananareo, ary fampatsiahivana eo amin'ny handrinareo

Ireo dia karazana fampahatsiahivana ara-batana samihafa mba tsy hanadino ny zava-dehibe ny olona.

fampatsiahivana ho anareo eo amin'ny tananareo

Resahin'i Mosesy toy ny hoe mifatotra amin'ny zavatra manodidina ny tanan'izy ireo mba hampatsiahy azy ireo izay nataon'i Yaveh ny fankalazana ny firavoravoana. DH: "tahaka ny zavatra afatotrao manodidina ny tananao ho fampahatsiahivana"

fampatsiahivana eo amin'ny handrinareo

Resahin'i Mosesy toy ny hoe mifatotra amin'ny zavatra manodidina ny handrin'izy ireo mba hampatsiahy azy ireo izay nataon'i Yaveh ny fankalazana ny firavoravoana. DH: "tahaka ny zavatra afatotrao manodidina ny lohanao ho fampahatsiahivana"

mba ho eo am-bavanareo ny lalàn'i Yaveh

Ny teny hoe "eo am-bavanareo" eto dia manondro ireo teny izay nolazain'izy ireo. DH: "mba hiresaka mandrakariva ny lalàn'i Yaveh"

tanana mahery

Ny teny hoe "tanana" eto dia manondro ny fihetsik'Andriamanitra sy ireo asany. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 6:1. DH: "ny hery hasehoko amin'ireo asako"