plt_tn/est/02/05.md

1.0 KiB

Ary nisy Jiosy iray

Io dia mampiditra an'i Mordekay ho mpandray anajara vaovao ao amin'ilay tantara.

Sosana

Hadikao toy ny tao amin'ny 1:1 ny anaran'ilay tanàna.

zanaka lahin'i Jaira zanaka lahin'i Simey zanaka lahin'i Kisy

"Jaira," "Simey," ary "Kisy" dia ireo lehilahy izay nihavian'i Mordekay.

Benjamina

"Avy amin'ny fokon'i Benjamina"

Nentina avy tany ... mpanjakan'i Babilona izy

Io dia fampahafantarana izay manazava ny fomba nahatongan'i Mordekay hiaina tao Sosana. DH: "Nentin'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babilona izy sy ireo sesitany hafa niaraka tamin'i Jekonia, mpanjakan'i Joda"

Nentina avy tany Jerosalema

Ny lahatsoratra Hebreo dia tsy nanazava hoe iza ilay resahina eto. Mety i Kisy, izay dadaben'ny dadaben'i Mordekay. Raha i Mordekay tenany izany, dia tena efa antitra dia antitra tokoa izy tamin'izany tantara mahakasika an'i Estera izany. Maro amin'ireo andiany vaovao no mamela izany zavatra izany ho tsy mahazava. Misy andiany vitsivitsy, ao anatin'izany ny UDB, no nisafidy fa i Mordekay ilay nentina avy tany Jerosalema.