plt_tn/eph/04/14.md

954 B

toy ny zaza

Paoly maneho ireo mpino izay tsy nitombo ara-panahy toy ny hoe ankizy tsy ampy traikefa tamin'ny fiainana izy ireo. DH: ''tahaka ny zaza''

atopatopa ... ho entin'ny rivotry ny fampianarana

Ity dia miresaka ny mpino izay tsy lasa matotra sy nanaraka ny fampianarana diso toy ny hoe sambo izay nentin'ny rivotra tamin'ny lalana samihafa eny amin'ny rano io mpino io.

hafetsen'ireo olona amin'ny tetika feno fitaka

''olona fetsifetsy izay mamitaka ireo mpino amin'ny lainga tsara rafitra''

ao amin'Izy izay loha ... mahatonga ny vatana hitombo mba hampiorina ny tenany amin'ny fitiavana

Paoly mampiasa ny vatan'olombelona mba hamaritana ny fomba nataon'i Jesosy nahatonga ireo mpino hifanaraka amin'ny fiaraha-miasa toy ny lohan'ny vatana mampiara-miasa ireo ratsam-batana mba hitombo ara-pahasalamana.

tamin'ny isan-tonony

Ny ''tonony'' dia hozatra kely mampifandray ny taolana na taova eo amin'ny toerany ao amin'ny vatana.