plt_tn/eph/03/17.md

2.5 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Paoly manohy ny vavaka ataony izay natombony tao amin'ny 3:14.

mba hitoetra ao am-ponareo amin'ny finoana Kristy, mba hifototra sy hiorina ao amin'ny fiatiavany ianareo

Ity no zavatra faharoa izay hivavahan'i Paoly ny mba ''hanomezan'''Andriamanitra ny Efesiana araka ny '''haren'ny voninahiny'' ; ny voalohany dia ny ''hahatanjahan''' izy ireo.

ao am-ponareo amin'ny finoana

Eto ny ''fo'' dia maneho ny ao anatin'ny olona iray, ary ny ''amin'ny'' dia maneho ny fomba afahan'i Kristy miaina ao anatin'ny mpino. Kristy dia miaina ao am-pon'ireo mpino satria Andriamanitra mamela azy ireo amin'ny hatsaram-panahy hanana finoana.

finoana, mba hifototra sy hiorina ao amin'ny fitiavany ianareo. Hahazo hery anie ianareo ka ho afa-mahatakatra

Ireo dika azo heverina: 1) ''finoana. Mivavaka aho mba hifototra sy hiorina amin'ny fitiavany ianareo mba afahanareo mahatakatra'' na 2) ''finoana mba hifotorana ny hiorenanareo amin'ny fitiavany. Mivavaka ihany koa aho ny mba afahanareo mahatakatra''

mba hifototra sy hiorina amin'ny fitiavany ianareo

Paoly miresaka ny finoan'izy ireo toy ny hoe hazo izay manana fototra lalina sy trano miorina eo amin'ny fototra mafy orina izany. DH: ''mba ho toy ny hazo mifototra mafy sy toy ny trano naorina teo amin'ny vato ianareo''

mba ho afa-mahatakatra

Ity no zavatra faharoa izay nandoalihan'i Paoly sy nivavahany; ny voalohany dia, ny mba hanomezan'Andriamanitra fahatanjahana azy ireo (3:14) sy ny hitoeran'i Kristy ao am-pon'izy ireo amin'ny alalan'ny finoana (3:14). Ary ny ''fahatakarana'' no zavatra voalohany izay nivavahan'i Paoly fa ho afaka ataon'ireo Efesiana.

ireo mpino rehetra

''ireo mpino rehetra ao amin'i Kristy'' na ''ireo masina rehetra''

ny sakany, ny halavany, ny hahavony, ary ny halaliny

Ireo dika azo heverina: 1) ireo teny ireo dia mamaritra ny halehiben'ny fahendren' Andriamanitra, DH: ''fa tena hendry Andriamanitra'' na 2) ireo teny ireo dia mamaritra ny hamafin'ny fitiavan'Andriamanitra antsika. DH: '"fa tena tia antsika Kristy''

mba hahalala ny fitiavan'i Kristy

Ity no zavatra faharoa nivavahan'i Paoly mba ho afaka ataon'ireo Efesiana; ny voalohany dia ny ''fahatakarana.'' DH: ''mba ho fantatrareo be ny fitiavan'i Kristy antsika''

mba ho fenon'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra ianareo

Ity no zavatra fahatelo izay nandoalihan'i Paoly sy nivavahany (3:14); ny voalohany dia ny mba ''hatanjahan''' izy ireo. (3:14), ary ny faharoa dia ny mba "hatakaran" izy ireo (3:18).