plt_tn/eph/03/06.md

879 B

ireo Jentilisa dia mpiara-mandova ... amin'ny alalan'ny filazantsara izy ireo

Izany no marina miafina izay manomboka azavain'i Paoly ao amin'ny andininy teo aloha. Ireo Jentilisa izay mandray an'i Kristy dia mandray zavatra mitovy tahaka ireo mpino Jiosy koa.

mpiara-miombona amin'ny vatana

Ny fiangonana dia aseho foana toy ny vatan'i Kristy.

amin'i Kristy Jesosy

Ny ''ao amin'i Kristy Jesosy'' ary teny mitovitovy amin'izay dia fanoharana izay hita matetika ao amin'ireo taratasin'ny Testamenta Vaovao. Ireo dia maneho ny karazana fifandraisana mahery vaika eo amin'i Kristy sy ireo izay mino Azy.

amin'ny alalan'ny filazantsara

Ireo dika azo heverina: 1) nohon'ny filazantsara dia mpiara-mizara ao amin'ny fampanantenana ireo Jentilisa. na 2) nohon'ny filazantsara dia mpiara-mandova sy ratsam-batana ary mpiara-mizara ao amin'ny fampanantenana ireo Jentilisa.