plt_tn/deu/33/28.md

915 B

Mandry fahizay Israely. Azo antoka ny loharanon'i Jakoba

Ireo mety ho heviny dia 1) Mosesy dia miresaka ny ho avy toy ny hoe lasa izany mba hanamafisana fa hitranga izay lazainy, "Handry fahizay Israely. Ho azo antoka ny loharanon'i Jakoba" na 2) Mosesy dia mitso-drano an'Israely hoe: "Handry fahizay anie Israely. Ary ho azo antoka anie ny loharanon'i Jakoba."

loharanon'i Jakoba

Ireo mety ho heviny dia 1) tranon'i Jakoba na 2) taranak'i Jakoba.

aoka ny lanitrany handatsaka ando eo aminy

Ny ando dia resahina toy ny hoe be loatra ka toy ny hoe avy any orana. Ireo mety ho heviny dia 1) Mosesy dia mitso-drano an'Israely hoe "aoka hisy ando maro handrakotra ny tany tahaka ny orana" na 2) Mosesy dia milaza an'izay hitranga amin'ny ho avy hoe: "hisy ando maro handrakotra ny tany tahaka ny orana."

ando

Rano miseho eny amin'ny ravin-kazo sy ahitra amin'ny maraina. Adikao toy ny tao amin'ny 32:1.