plt_tn/deu/32/15.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mosesy manohy manao ny laha-teny kantony amin'ny vahoakan'Israely.

Jesorona

Mosesy miresaka an'ireo Israelita toy ny hoe biby voafahana tsara izy ireo izay nantsoin'ny tompony hoe Jesorona izany. Ianao dia mety hanampy fanamarihana izay milaza hoe "Ny anarana hoe 'Jesorona' dia midika hoe 'ilay mahitsy.'" Raha toa ny fiteninao ka tsy afaka miresaka an'ireo Israelita hoe Jesorona, dia afaka maneho an'ireo Israelita hoe olona maro ianao, tahaka ny ataon'ny UDB.

nihanatavy ka nitsipaka

Jesorona, ilay biby tsara fahana izay mitsipika raha tokony ho tsara fanahy dia sarinteny ho an'ireo Israelita izay nikomy na dia nikarakara tsara azy ireo aza Yaveh.

nihanatavy ianao, tena natavy loatra ianao, ary nihinana izay nahavoky anao

Mosesy dia mibedy an'ireo Israelita amin'ny fanaovana hira amin'i Jesorona. "nihanatavy ianao, lasa natavy kokoa ianao, ary lasa matavy araka izay tratranao"

Vatolampin'ny famonjeny

Ity dia midika fa Yaveh dia matanjaka toy ny vatolampy ary afaka miaro ny vahoakany.

vatolampy

Ity dia anarana izay omen'i Mosesy an'i Yaveh, izay, toy ny vatolampy, dia matanjaka sy afaka miaro ny vahoakany. Adikao toy ny tao amin'ny 32:3 ity.

Nanao izay nahasaro-piaro an'i Yaveh

Nataon'ireo Israelita ho saro-piaro Yaveh.