plt_tn/deu/32/09.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mosesy manao laha-teny kanto amin'ny vahoakan'Israely. Eo am-piresahana amin'ireo Israelita izy dia miresaka momba azy ireo toy ny hoe olona hafa izy ireo ary toy ny hoe olona iray ihany izy ireo.

Fa ny anjaran'i Yaveh dia ireo vahoakany; Jakoba no zara lovany

Mitovy hevitra ireo fehezanteny ireo ary afaka atambatra. DH: "Ny taranak'i Jakoba no lovan'i Yaveh"

Hitany izy ... niaro sy nikarakara azy ... niambina azy

"Hitany Jakoba ... niaro sy nikarakara azy ... niambina azy" Ity dia afaka adikanao toy ny hoe Mosesy dia niresaka momba ireo Israelita toy ny olona maro. "Hitany ireo razambentsika ... niaro sy nikarakara azy ireo ... niambina azy ireo"

tany efitra lao

Eto ny hoe "lao" dia maneho ny feon-drivotra mitsoka manerana an'ilay tany foana.

niambina azy toy ny anakandriamasony Izy

Fomba fiteny ity. Ny anakandriamaso dia maneho ny lafiny maizina ao anatin'ny anakandriamaso izay mahatonga ny olona hahita. Faritra tena manan-danja sy marefo ao amin'ny vatana io. Izany dia midika fa tena manan-danja amin'Andriamanitra ny vahoakan'Israely ary zavatra izay arovany. DH: "Niaro azy toy ny zavatra tena manan-danja sy sarobidy Izy"