plt_tn/deu/29/20.md

1.0 KiB

hirehitra amin'izany lehilahy izany ny fahatezeran'i Yaveh sy ny hasarotam-piarony

Tahaka ny afo miha-miredareda, dia miha-miredareda tahaka izany koa ny fahatezeran'i Yaveh sy ny hasarotam-piarony. DH: "hiredareda toy ny afo ny fahatezerana miharo hasarotam-piaron'i Yaveh"

ny fahatezeran'i Yaveh sy ny hasarotam-piarony

Eto ny teny hoe "saro-piaro" dia mamaritra "ny hatezeran'i Yaveh." DH: "ny fahatezerana miharo hasarotam-piaron'i Yaveh"

izay voasoratra

DH: "izay voasoratro"

ho tonga aminy ny ozona rehetra izay voasoratra anatin'ity boky ity

Mosesy dia mamaritra ireo ozona toy ny hoe olona iray izay hanafika azy ireo tampoka. DH: "Yaveh dia hanozona azy amin'ireo ozona izay voasoratra ao amin'ity boky ity amin'ny fomba izay tsy ho ampoiziny mihitsy." Misy teny mitovy hita ao amin'ny 28:15.

ho fafan'i Yaveh tsy ho eo ambany lanitra ny anarany

Izany dia midika fa handringana tanteraka an' ilay olona sy ny fianakaviany Yaveh. Tsy hahatadidy azy ny olona any aoriana. Misy fahezanteny mitovy hita ao amin'ny 7:23.