plt_tn/deu/18/20.md

1.0 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mbola manohy miteny Yaveh.

izay milaza teny am-pireharehana

Eto ny hoe "teny" dia maneho hafatra. DH: "izay sahy milaza hafatra"

amin'ny anarako

Eto ny hoe "anarako" dia maneho an'i Yaveh sy ny fahefany mihitsy. DH: "ho Ahy" na "amin'ny fahefako"

teny izay tsy nandidiko

Eto ny hoe "teny" dia maneho hafatra. DH: "hafatra izay tsy nandidiko"

izay miteny amin'ny anaran'ireo andriamanitra hafa

Eto ny hoe "anarana" dia maneho ireo andriamanitra na ny fahefan'izy ireo. Izany dia midika fa ilay mpaminany dia milaza fa nilaza taminy mba hiteny hafatra tahaka izany ireo andriamanitra diso.

Izao no tokony ho lazainareo ao am-ponareo

Eto ny hoe "fo" dia maneho ireo eritreritry ny olona iray. DH: "anontanio ny tenanareo" na "tokony hiteny amin'ny tenanareo ianareo"

Ahoana no hanekenay hafatra izay tsy nolazain'i Yaveh?'

"Amin'ny fomba ahoana no hahafantaranay raha avy amin'i Yaveh ny hafatra izay lazain'ilay mpaminany?" Eto ny hoe "izahay" dia meneho ny vahoakan'Israely"