plt_tn/deu/17/18.md

968 B

Rehefa mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany izy

Eto ny hoe "seza fiandrianana" dia maneho ny hery sy fahefan'ny olona iray amin'ny maha-mpanjaka. Ny hoe mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana dia midika hoe lasa mpanjaka. DH: "Rehefa lasa mpanjaka izy"

tsy maintsy soratany ho an'ny tenany amin'ny horonan-taratasy ny lalàna

Ireo mety ho heviny dia 1) "tsy maintsy manoratra dika mitovy amin'ity lalàna ity ao anaty horonan-taratasy ho an'ny tenany izy" na 2) "tsy maintsy manondro olona iray mba hanoratra dika mitovy amin'ity lalàna ity ao anaty horonan-taratasy ho azy izy"

avy amin'ny lalàna izay eo anoloan'ireo mpisorona, izay Levita

"avy amin'ilay dika mitovy amin'ilay lalàna izay hazonin'ireo mpisorona Levitika"

mba hitànany ireo teny rehetran'ireto didy aman-dalàna ireto, mba hitandremana azy ireo

Manana dika mitovy ireo fehezanteny roa ireo ary manamafy fa tokony mankato ny lalàn' Andriamanitra rehetra ny mpanjaka.