plt_tn/deu/16/11.md

905 B

ny zanakareo lahy, ny zanakareo vavy, ny mpanomponareo lahy, ny mpanomponareo vavy, ny Levita

Tsy manondro olona manokana ireo. Izany dia midika hoe ireo karazan'olona ireo amin'ny ankapobeny. DH: "Ireo zanakareo lahy, ireo zanakareo vavy, ireo mpanomponareo lahy, ireo mpanomponareo vavy, ny Levita rehetra."

ao amin'ny vavahadin'ny tanànanareo

Eto ny hoe "vavahady" dia maneho ilay tanàna mihitsy. DH: "ao amin'ny tanànanareo"

ireo mpivahiny, ireo kamboty ray, ary ny mpitondratena

Ireo dia maneho an'ireo karazan'olona ireo amin'ny ankapobeny. DH: "ny mpivahiny rehetra, ireo kamboty, sy ireo mpitondratena"

kamboty

Ireo dia ankizy izay samy efa maty ny ray aman-dreniny ary tsy manana havana hikarakara azy ireo.

mpitondratena

Ity dia ireo vehivavy izay maty vady ary tsy manan-janaka hikarakara azy amin'ny fahanterany.

Ho tsaroanareo

Fomba fiteny ity. DH: "ho tadidinareo"