plt_tn/deu/14/01.md

1.4 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.

Ianareo no vahoakan'i ... ianareo dia firenena ... nifidy anareo

Ny vahoakan'Israely no resahina eto. Mosesy dia tafiditra ho isan'ny vahoaka. DH: "isika no vahoakan'i ... firenena isika ... nifidy antsika"

Aza mitetika ny tenanareo, na manaratra ny faritry ny tarehinareo ho an'ny maty

Ireo dia fomba nampisehoan'ny vondron'olona monina any Kanana fa malahelo olona izay efa maty izy ireo. Mosesy dia milaza ny vahoakan'israely mba tsy hanao tahaka azy ireo. Afaka atao mazava tsara ny dikan'ity fanambarana ity.

Fa ianareo dia firenena ... eo ambonin'ny tany.

Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 7:6 ity.

Fa ianareo dia firenena izay voatokana ho an'i Yaveh Andriamanitrareo

Yaveh mifidy ny vahoakan'Israely mba ho Azy amin'ny fomba miavaka dia resahina toy ny hoe manokana azy ireo amin'ireo firenena hafa rehetra Yaveh. DH: "Yaveh Andriamanitrareo dia nanokana anareo tamin'ireo firenena hafa rehetra"

Yaveh nifidy anareo ho vahoaka ho fananany manokana

Manana hevitra mitovy amin'ilay fiantombohan'ny fehezanteny ity. Samy midika ireo fa an'i Yaveh amin'ny fomba miavaka ireo vahoakan'Israely.

vahoaka ho fananany manokana

"vahoaka ho fananany sarobidy" na "vahoakany"

mihoatra ireo vahoaka rehetra izay eo ambonin'ny tany

"tamin'ny vondron'olona rehetra eto ambonin'ny tany"