plt_tn/deu/12/29.md

1.2 KiB

mandringana ireo firenena

Yaveh mamotika ireo vondron'olona ao Kanana dia resahina toy ny hoe mandringana azy ireo Izy, tahaka ny iray izay hanapaka tapa-damba na rantsana eny amin'ny hazo.

ireo firenena

Eto ny hoe "firenena" dia maneho ireo olona izay mipetraka any Kanana.

rehefa mandeha mba haka izany amin'izy ireo ianao, ka azonao izany

"rehefa maka ny zavatra rehetra amin'izy ireo ianao"

tandremo ny tenanao

"mitandrema"

mba tsy ho voafandrika hanaraka azy ireo ... ho voafandrika hizaha ny andriamanitr'izy ireo, hanontany hoe

Ny olona manompo sy mianatra momban'ny andriamanitra hafa dia resahina toy ny hoe tratra ao anaty fandrika izy ireo. DH: "mba tsy hanao tahaka azy ireo ianao ... hiezaka ny hahafantatra momban'ny andriamanitr'izy ireo, manontany hoe"

tsy ho voafandrika hanaraka azy ireo

Ireo Israelita manompo sampy tahaka ny hanompoan'ireo vondrona Kanana sampy dia resahina toy ny hoe manaraka ao aorian'ny vondron'olona ireo Israelita.

hanontany hoe: 'Ahoana no fanompoan'ireo firenena ireo ny andriamaniny? Mba hanao tahaka izany koa aho.'

DH: "manontany momban'ny fomba hanompoan'ireo vondron'olona ireo ny andriamanitr'izy ireo ka hanao tahaka izany koa ianao"