plt_tn/deu/12/05.md

20 lines
767 B
Markdown

# ao amin'ny toerana izay ho fidian'i Yaveh Andriamanitrao eo amin'ireo fokonao mba hametrahana ny Anarany
Eto ny hoe "ny Anarany" dia maneho an'Andriamanitra mihitsy. Yaveh dia hisafidy toerana iray izay hipetrahany ary ho tonga hanompo Azy any ny olona.
# any no halehanao
Handeha hanompo any amin'izay tenenin' Andriamanitra izy ireo.
# ireo rakitra hatolotry ny tananao
Eto ny hoe "tanana" dia maneho ilay olona mihitsy. DH: "ireo rakitra izay hatolotrao"
# ny raki-boadinao, ny fanati-tsitraponao
"ireo fanatitrao izay hanatanterahana voady, ireo fanatitrao maimaimpoana." Karazana fanatitra ireo.
# ny voalohan-teraky ny omby sy ny ondry aman'osinao
Andriamanitra dia mitaky ny olona mba hanolotra Aminy ny voalohan-teraka lahy amin' ny biby fiompiny.