plt_tn/deu/11/20.md

846 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mosesy manohy miresaka amin'ireo vahoakan'Israely.

Ho soratanareo eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonareo sy eo amin'ny vavahadin'ny tanànanareo izany

Adikao toy ny nataonao tao amin'n 6:8 ireo teny ireo.

mba hihamaro ny andronareo sy ny andron'ireo zanakareo

Eto ny hoe "andro" dia maneho fotoana maharitra. DH: "mba hampiainan'i Yaveh anareo sy ny zanakareo mandritry ny fotoana ela"

tamin'ireo razambenareo

Ity dia maneho an'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba.

omena azy ireo raha mbola ambonin'ny tany koa ny lanitra

Ity dia mampitaha ny faharetan'ny fijanonan'ny vahoaka ao amin'ilay tany amin'ny faharetan'ny fisian'ny lanitra eo ambonin'ny tany. Ity dia fomba hilazana ny hoe "mandrakizay." DH: "omena azy ireo ho fananana mandrakizay" na "omena halalana azy ireo hiaina ao mandrakizay"