plt_tn/deu/11/16.md

24 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely.
# Tandremo ny tenanareo
"mitandrema"
# mba tsy ho voafitaka ny fonareo
Eto ny hoe "fo" dia maneho ny faniriana na eritreritry ny olona iray. DH: "mba tsy hamitaka anareo ny fanirianareo" na "mba tsy hamitaka ny tenanareo ianareo"
# hivily sy hanompo andriamani-kafa
Ny fandavana an'i Yaveh sy fanompoana andriamanitra hafa dia resahina toy ny hoe hivily ara-batana sy handeha any amin'ny lalana samihafa lavitra an'i Yaveh ilay olona. DH: "hanomboka hanompo andriamanitra hafa"
# mba tsy hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Yaveh
Andriamanitra manomboka tezitra dia resahina toy ny hoe afo manomboka mirehitra izany. DH: "mba tsy ho tezitra aminareo Yaveh"
# mba tsy hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Yaveh; ary mba tsy hampikatona ny lanitra Izy mba tsy hisian'ny ranon'orana, ary ny tany tsy hamoa ny voany
Andriamanitra mahatonga ny orana tsy hilatsaka avy eny an-danitra dia resahina toy ny hoe manidy ilay lanitra Izy. DH: "mba tsy hampitsahatra ny orana hilatsaka avy eny an-danitra Izy ka tsy hampitombo ny vokatra eo amin'ilay tany"