plt_tn/deu/09/22.md

929 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoakan'Israely momban'izay nitranga tany aloha.

Tabera ... Masa ... Kibrota-hatava

Anaran-toerana izay nandehanan'ireo vahoakan' Israely ireo tamin'izy ireo tany an'efitra.

Mandehana miakatra

Teny amin'ny tany iva izy ireo, ary ny tany izay nolazain'i Yaveh azy ireo mba halaina dia teny amin'ny havoana, koa nila niakatra izy ireo mba hahazoana izany.

nikomy nanohitra ny didy

Ny teny hoe "didy" dia sarinteny hanehoana an'i Yaveh mihitsy. DH: "nikomy nanohitra an'i Yaveh; tsy nankato ny didy ianareo"

nihaino ny feony

Eto ny hoe "feony" dia midika an'izay nolazain' Andriamanitra. DH: "nankato izay nolazainy"

hatramin'ny andro nahafantarako anareo

"hatramin'ny andro nanombohako nitarika anareo." Ny fandikan-teny sasany dia mivaky hoe "hatramin'ny andro nahafantarany anareo," ilay andro izay nahafantaran'i Yaveh azy ireo voalohany.