plt_tn/deu/04/11.md

609 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mosesy manohy mampatsiahy an'ireo Israelita ny tantaran'izy ireo.

Nirehitra afo nanakatra ny halalin'ny lanitra

Fomba fiteny ity. Ny hoe "halalin'ny" dia midika hoe "ny afovoan'ny" na "ny faritra lalina indrindra amin'ny," ary ny hoe "lanitra" eto dia maneho ny habakabaka. DH: "Nirehitra afo izay nanakatra ny habakabaka"

niaraka tamin'ny aizina, rahona, ary aizim-pito matevina

Eto ny hoe "aizim-pito matevina" dia mamaritra ny rahona. DH: "niaraka tamin'ny rahona matevina sy maizina"

aizim-pito matevina

Mety ho heviny hafa koa ny hoe "rahona mavesatra"